16. ny fahasivy ambin'ny folo an'i Petahia, ny faharoa-polo an'i Jehezekela,
17. ny fahiraika amby roa-polo an'i Jakina, ny faharoa amby roa-polo an'i Gamola,
18. ny fahatelo amby roa-polo an'i Delaia, ny fahefatra amby roa-polo an'i Mazia.
19. Ireo avy no antokony amin'ny fanompoany izay idirany ao an-tranon'i Jehovah araka ny fitsipika voatendrin'i Arona rainy, araka ny nandidian'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, azy.
20. Ary tamin'ny taranak'i Levy sisa dia izao; Tamin'ny taranak'i Amrama dia Sobaela; tamin'ny zanak'i Sobaela dia Jedala.
21. Ny amin'i Rehabia: tamin'ny taranak'i Rehabia dia Jisia no voalohany.
22. Tamin'ny Jizarita dia Selomota; tamin'ny taranak'i Selomota dia Jahata.