Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

1 Tantara 23:1-6 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary nony efa ela niainana sy tratrantitra tsara Davida, dia Solomona zanany no nataony mpanjaka tamin'ny Isiraely.

2. Ary novoriny ny lehiben'ny Isiraely rehetra mbamin'ny mpisorona sy ny Levita.

3. Ary nisaina ny Levita hatramin'ny telo-polo taona no ho miakatra, ka valo arivo amby telo alina no isan'ny lehilahy.

4. Ary hoy Davida: Ny efatra arivo amby roa alina amin'ireo dia ataoko ho tonian'ny asa ao an-tranon'i Jehovah, ary ny enina arivo ataoko mpifehy sy mpitsara,

5. ary ny efatra arivo ho mpiandry varavarana, ary ny efatra arivo ho mpidera an'i Jehovah amin'ny zavatra namboariko hiderana Azy.

6. Ary nozarazarain'i Davida ho antokony ireo araka ny zanakalahin'i Levy, dia Gersona sy Kehata sy Merary:

Vakio ny toko manontolo 1 Tantara 23