Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

1 Tantara 21:20-30 Malagasy Bible (MG1865)

20. Ary Araona niherika ka nahita Ilay Anjely; ary ny zanany efa-dahy izay teo aminy dia niery. Ary Araona nively vary tao tamin'izay.

21. Ary nony tonga teo amin'i Araona Davida, dia nijery Araona ka nahita an'i Davida, ary dia niala avy teo amin'ny famoloana izy ka niankohoka tamin'ny tany teo anatrehan'i Davida.

22. Ary hoy Davida tamin'i Araona: Mba omeo ahy amin'izay tokom-bidiny ity famoloana ity hanorenako alitara ho an'i Jehovah; omeo ahy izy, mba hitsaharan'ny areti-mandringana tsy hamely ny vahoaka.

23. Fa hoy Araona tamin'i Davida: Ento ary ho anao, ary aoka ny mpanjaka tompoko hanao izay sitrany; indro, omeko koa ny omby ho fanatitra dorana ary ny fivelezam-bary ho kitay ary ny vary tritika ho fanatitra hohanina; foiko avokoa izy rehetra.

24. Fa hoy Davida mpanjaka tamin'i Araona: Tsia, fa hovidiko mihitsy araka izay tokom-bidiny; fa tsy haka izay anao ho an'i Jehovah aho ary tsy hanatitra fanatitra dorana amin'izay azoko fotsiny.

25. Dia nomen'i Davida sekely volamena lanjan'enin-jato Araona ho vidin'ny tany.

26. Ary Davida nanorina alitara teo ho an'i Jehovah ka nanatitra fanatitra dorana sy fanati-pihavanana; dia niantso an'i Jehovah izy ka novaliany tamin'ny afo avy tany an-danitra, izay latsaka teo amin'ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana.

27. Ary Jehovah nandidy Ilay Anjely, ka dia nampidiriny tamin'ny tranony ny sabany.

28. Tamin'izany andro izany, nony hitan'i Davida fa novalian'i Jehovah teo amin'ny famoloan'i Araona Jebosita izy, dia namono zavatra hatao fanatitra teo izy.

29. Fa ny tabernakelin'i Jehovah izay nataon'i Mosesy tany an-efitra sy ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana kosa dia teo amin'ny fitoerana avo tao Gibeona fahizay;

30. nefa Davida tsy nahazo nankeo anoloan'izany hanontany amin'Andriamanitra; fa raiki-tahotra izy noho ny sabatr'Ilay Anjelin'i Jehovah.

Vakio ny toko manontolo 1 Tantara 21