Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

1 Tantara 18:8-17 Malagasy Bible (MG1865)

8. Ary tao Tibata sy Kona, tanànan'i Hadarezera, no nahazoan'i Davida babo varahina be dia be, ary izany no nanaovan'i Solomona ilay tavin-drano varahina lehibe sy ny andry ary ny fanaka varahina.

9. Ary nony ren'i Toy, mpanjakan'i Hamata, fa Davida efa naharesy ny miaramila rehetra an'i Hadarezera, mpanjakan'i Zoba,

10. dia naniraka an'i Hadorama zanany hankany amin'i Davida mpanjaka izy hiarahaba sy hisaotra azy noho ny niadiany tamin'i Hadarezera sy ny nahareseny azy (fa Hadarezera dia fahavalon'i Toy), sady nampitondrainy fanaka volamena sy volafotsy ary varahina izay samy maro karazana izy.

11. Dia nohamasinin'i Davida mpanjaka ho an'i Jehovah koa izany mbamin'ny volafotsy sy ny volamena nentiny avy tamin'ny firenena rehetra, dia tany Edoma sy Moaba sy ny taranak'i Amona sy ny Filistina ary ny Amalekita

12. Ary Abisay, zanak'i Zeroia, naharesy ny Edomita teo amin'ny Lohasahan-tsira, dia lehilahy valo arivo sy iray alina.

13. Ary nametraka miaramila tany Edoma izy; dia tonga mpanompon'i Davida ny Edomita rehetra. Fa Jehovah nampahery an'i Davida teny amin'izay rehetra nalehany.

14. Ary Davida nanjaka tamin'ny Isiraely rehetra ka nitsara sy nitondra ny vahoakany rehetra tamin'ny fahamarinana.

15. Ary Joaba, zanak'i Zeroia, no komandin'ny miaramila; ary Josafata, zanak'i Ahiloda, no mpitadidy ny raharaham-panjakana.

16. Ary Zadoka, zanak'i Ahitoba, sy Abimeleka, zanak'i Abiatara, no mpisorona; ary Saosa no mpanoratra.

17. Ary Benaia, zanak'i Joiada, no mpifehy ny miaramila mpiambina andriana; ary ny zanak'i Davida no lehibe tamin'izay nanolotra ny mpanjaka.

Vakio ny toko manontolo 1 Tantara 18