Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

1 Tantara 16:34-43 Malagasy Bible (MG1865)

34. Miderà an'i Jehovah, fa tsara Izy: Fa mandrakizay ny famindram-pony.

35. Ary manaova hoe: Vonjeo izahay, ry Andriamanitry ny famonjena anay ô, ary angòny izahay, ka vonjeo tsy ho azon'ny jentilisa, Mba hisaoranay ny anaranao masina, ka ho reharehanay ny fiderana Anao.

36. Isaorana anie Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, hatramin'ny taloha indrindra ka ho mandrakizay. Ary ny olona rehetra nanao hoe: Amena, sady nidera an'i Jehovah.

37. Ary Asafa sy ny rahalahiny dia navelan'i Davida teo anoloan'ny fiaran'ny faneken'Jehovah hanao fanompoam-pivavahana ao mandrakariva araka ny raharaha tokony hatao isan'andro,

38. ary Obed-edoma sy ny rahalahiny valo amby enim-polo sy Obed-edoma, zanak'i Jedotona, ary Hosa ho mpiandry varavarana kosa.

39. Ary Zadoka mpisorona sy ny mpisorona rahalahiny dia navelany teo anoloan'ny tabernakelin'i Jehovah teo amin'ny fitoerana avo any Gibeona,

40. hanatitra fanatitra dorana ho an'i Jehovah marain-tsy hariva eo amin'ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana mandrakariva, ary hanao araka izay rehetra voasoratra ao amin'ny lalàn'i Jehovah, izay nandidiany ny Isiraely,

41. ary naman'ireo koa Hemana sy Jedotona ary ny sisa amin'ny olona voafidy izay voatonona anarana hidera an'i Jehovah, fa mandrakizay ny famindram-pony.

42. Ary tao amin'i Hemana sy Jedotona nisy trompetra sy kipantsona ho an'izay mampaneno ary ny fomban'ny zava-manenon'Andriamanitra. Ary ny zanak'i Jedotona no mpiandry varavarana.

43. Ary dia samy nody tany an-tranony avy ny olona rehetra, ary Davida koa lasa nody mba hitso-drano ny ankohonany.

Vakio ny toko manontolo 1 Tantara 16