Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

1 Tantara 16:1-9 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary nampiditra ny Fiaran'Andriamanitra ny olona ka nametraka azy tao afovoan'ny lay izay naorin'i Davida ho azy; ary nanatitra fanatitra dorana sy fanati-pihavanana teo anatrehan'Andriamanitra izy.

2. Ary nony voatitr'i Davida ny fanatitra odorana sy ny fanati-pihavanana, dia nitso-drano ny olona tamin'ny anaran'i Jehovah izy.

3. Dia nizara mofo iray avy sy hena iray didy ary ampempam-boaloboka ho an'ny Isiraely rehetra na lahy na vavy izy.

4. Ary ny Levita sasany notendren'i Davida ho mpanao fanompoam-pivavahana eo anatrehan'ny fiaran'i Jehovah mba hankalaza sy hisaotra ary hidera an'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely:

5. Asafa no lohany, ary Zakaria no nanarakaraka, dia Jeiela sy Semiramota sy Jehiela sy Matitia sy Eliaba sy Benaia sy Obed-edoma ary Jeiela no nitendry ny valiha sy ny lokanga; fa Asafa no nampaneno ny kipantsona;

6. Benaia sy Jahaziela mpisorona kosa no mpitsoka ny trompetra mandrakariva eo anoloan'ny fiaran'ny faneken'Andriamanitra.

7. Tamin'izay andro izay no voalohan'ny nanendren'i Davida an'i Asafa sy ny rahalahiny hidera an'i Jehovah.

8. Miderà an'i Jehovah, miantsoa ny anarany; Ampahafantaro ny firenena ny asany.

9. Mihira ho Azy, mankalazà Azy; Saintsaino ny fahagagana rehetra ataony.

Vakio ny toko manontolo 1 Tantara 16