Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

1 Tantara 15:1-9 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary Davida nanao trano ho azy tao an-Tanànan'i Davida sady namboatra fitoerana sy nanorin-day ho an'ny fiaran'Andriamanitra.

2. Ary tamin'izay dia hoy Davida: Tsy misy tokony hitondra ny fiaran'Andriamanitra afa-tsy ny Levita ihany, satria izy no efa nofidin'i Jehovah hitondra ny fiaran'Andriamanitra sy hanao fanompoam-pivavahana ho Azy mandrakizay.

3. Dia novorin'i Davida tany Jerosalema ny Isiraely rehetra hampakatra ny fiaran'i Jehovah ho any amin'ny fitoerana izay namboariny ho azy.

4. Ary novorin'i Davida ny taranak'i Arona sy ny Levita:

5. tamin'ny taranak'i Kehata dia Oriela lehibeny sy ny rahalahiny roa-polo amby zato;

6. tamin'ny taranak'i Merary dia Asaia lehibeny sy ny rahalahiny roa-polo amby roan-jato;

7. tamin'ny taranak'i Gersona dia Joela lehibeny sy ny rahalahiny telo-polo amby zato;

8. tamin'ny taranak'i Elizafana dia Semaia lehibeny sy ny rahalahiny roan-jato;

9. tamin'ny taranak'i Hebrona dia Eliala lehibeny sy ny rahalahiny valo-polo,

Vakio ny toko manontolo 1 Tantara 15