Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

1 Tantara 1:46-48 Malagasy Bible (MG1865)

46. Ary maty Hosama, dia nanjaka nandimby azy Hadada, zanak'i Bedada, izay namely ny Midianita tany amin'ny tany Moaba; ary Avita no anaran'ny tanànany.

47. Ary maty Hadada, dia nanjaka nandimby azy Samla avy any Masreka.

48. Ary maty Samla, dia nanjaka nandimby azy Saoly avy any Rehobota eo amoron'ny Ony.

Vakio ny toko manontolo 1 Tantara 1