Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

1 Tantara 1:44-53 Malagasy Bible (MG1865)

44. Ary maty Bela, dia nanjaka nandimby azy Jobaba, zanak'i Zera, avy any Bozra.

45. Ary maty Jobaba, dia nanjaka nandimby azy Hosama, avy any amin'ny tanin'ny Temanita.

46. Ary maty Hosama, dia nanjaka nandimby azy Hadada, zanak'i Bedada, izay namely ny Midianita tany amin'ny tany Moaba; ary Avita no anaran'ny tanànany.

47. Ary maty Hadada, dia nanjaka nandimby azy Samla avy any Masreka.

48. Ary maty Samla, dia nanjaka nandimby azy Saoly avy any Rehobota eo amoron'ny Ony.

49. Ary maty Saoly, dia nanjaka nandimby azy Bala-hanana, zanak'i Akbora.

50. Ary maty Bala-hanana, dia nanjaka nandimby azy Hadada; ary Pao no anaran'ny tanànany; ary ny anaran'ny vadiny dia Mehetabela, zanakavavin'i Matreda, zanakavavin'i Me-zahaba.

51. Dia maty koa Hadada. Ary ny loham-pirenen'i Edoma dia Timna loham-pireneny, Alva loham-pireneny, Jetata loham-pireneny,

52. Oholibama loham-pireneny, Elaha loham-pireneny, Pinona loham-pireneny,

53. Kenaza loham-pireneny, Temana loham-pireneny, Mibzara loham-pireneny,

Vakio ny toko manontolo 1 Tantara 1