Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

1 Tantara 1:44-49 Malagasy Bible (MG1865)

44. Ary maty Bela, dia nanjaka nandimby azy Jobaba, zanak'i Zera, avy any Bozra.

45. Ary maty Jobaba, dia nanjaka nandimby azy Hosama, avy any amin'ny tanin'ny Temanita.

46. Ary maty Hosama, dia nanjaka nandimby azy Hadada, zanak'i Bedada, izay namely ny Midianita tany amin'ny tany Moaba; ary Avita no anaran'ny tanànany.

47. Ary maty Hadada, dia nanjaka nandimby azy Samla avy any Masreka.

48. Ary maty Samla, dia nanjaka nandimby azy Saoly avy any Rehobota eo amoron'ny Ony.

49. Ary maty Saoly, dia nanjaka nandimby azy Bala-hanana, zanak'i Akbora.

Vakio ny toko manontolo 1 Tantara 1