Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

1 Tantara 1:37-49 Malagasy Bible (MG1865)

37. Ny zanakalahin'i Regoela dia Nahata sy Zera sy Sama ary Miza.

38. Ary ny zanakalahin'i Seira dia Lotana sy Sobala sy Zibona sy Ana sy Disona sy Ezera ary Disana.

39. Ary ny zanakalahin'i Lotana dia Hory sy Homama; ary Timna no anabavin'i Lotana.

40. Ary ny zanakalahin'i Sobala dia Aliana sy Manahata sy Ebala sy Sefy ary Onama. Ary ny zanakalahin'i Zibona dia Aia sy Ana.

41. Ary ny zanakalahin'i Ana dia Disona. Ary ny zanakalahin'i Disona dia Hamrana sy Esbana sa Jitrana ary Kerana.

42. Ary ny zanakalahin i Ezera dia Bilana sy Zavana ary Jakana. Ny zanakalahin'i Disana dia Oza sy Arana.

43. Ary izao no mpanjaka izay nanjaka tany amin'ny tany Edoma, fony tsy mbola nisy mpanjaka nanjaka tamin'ny Zanak'Isiraely: Bela, zanak'i Beora; ary Dinaba no anaran'ny tanànany.

44. Ary maty Bela, dia nanjaka nandimby azy Jobaba, zanak'i Zera, avy any Bozra.

45. Ary maty Jobaba, dia nanjaka nandimby azy Hosama, avy any amin'ny tanin'ny Temanita.

46. Ary maty Hosama, dia nanjaka nandimby azy Hadada, zanak'i Bedada, izay namely ny Midianita tany amin'ny tany Moaba; ary Avita no anaran'ny tanànany.

47. Ary maty Hadada, dia nanjaka nandimby azy Samla avy any Masreka.

48. Ary maty Samla, dia nanjaka nandimby azy Saoly avy any Rehobota eo amoron'ny Ony.

49. Ary maty Saoly, dia nanjaka nandimby azy Bala-hanana, zanak'i Akbora.

Vakio ny toko manontolo 1 Tantara 1