20. Ary Joktana niteraka an'i Almodada sy Salefa sy Hazarmaveta sy Jera
21. sy Hadorama sy Ozala sy Dikla
22. sy Ebala sy Abimaela sy Sheba
23. sy Ofira sy Havila ary Jobaba; ireo rehetra ireo no zanakalahin'i Joktana.
24. Sema, Arpaksada, Sela,
25. Ebera, Palega, Reo,
26. Seroga, Nahora, Tera,
27. Abrama (dia Abrahama izany).
28. Ny zanakalahin'i Abrahama dia Isaka sy Isimaela.
29. Izao no taranany: Nebaiota, lahimatoan'Isimaela, dia Kedara sy Abdela sy Mibsama