Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

1 Samoela 7:1-6 Malagasy Bible (MG1865)

1. Dia tonga teo ny mponina tao Kiriata-jearima ka nitondra ny fiaran'i Jehovah niakatra, dia nitondra azy ho ao an-tranon'i Abinadaba teo an-kavoana, ary nanamasina an'i Eleazara zanany mba hitandrina ny fiaran'i Jehovah izy.

2. Ary hatramin'izany andro izany dia nitoetra ela tany Kiriata-jearima ny fiaran'i Jehovah, dia roa-polo taona; ary ny taranak'Isiraely rehetra nalahelo an'i Jehovah.

3. Ary hoy Samoela tamin'ny taranak'Isiraely rehetra: Raha miverina amin'i Jehovah amin'ny fonareo rehetra tokoa ary ianareo, dia ario hiala aminareo ny andriamani-kafa sy ireo Astarta, ka ampiomany ny fonareo ho an'i Jehovah, ary aoka Izy ihany no hotompoinareo, dia hamonjy anareo amin'ny tanan'ny Filistina Izy.

4. Dia nanary ireo Bala sy Astarta ny Zanak'Isiraely ka nanompo an'i Jehovah irery ihany.

5. Ary hoy Samoela: Vorio ny Isiraely rehetra ho any Mizpa, dia hivavaka amin'i Jehovah ho anareo aho.

6. Dia nivory tany Mizpa izy ary nanovo rano ka nandraraka izany teo anatrehan'i Jehovah, sady nifady hanina tamin'izany andro izany izy ka nanao hoe: Efa nanota tamin'i Jehovah isika. Ary Samoela nitsara ny Zanak'Isiraely tany Mizpa.

Vakio ny toko manontolo 1 Samoela 7