Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

1 Samoela 5:1-7 Malagasy Bible (MG1865)

1. Dia nalain'ny Filistina ny fiaran'Andriamanitra ka nentiny niala tany Ebenezera ho any Asdoda.

2. Ary nony efa azon'ny Filistina ny fiaran'Andriamanitra, dia nentiny tao an-tranon'i Dagona izy ka napetrany teo anilany.

3. Ary nony ampitson'iny dia nifoha maraina koa ny Asdodita, ka indro Dagona potraka niankohoka tamin'ny tany teo anoloan'ny fiaran'i Jehovah; dia narenin'ny olona izy ka napetrany teo amin'ny fitoerany indray.

4. Ary nony ampitson'iny indray dia nifoha maraina koa ny olona, ka indro Dagona potraka niankohoka indray tamin'ny tany teo anoloan'ny fiaran'i Jehovah, ary tapaka teo amin'ny tokonam-baravarana ny lohan'i Dagona sy ny felatanany roa; fa ny tenabeny ihany no sisa

5. izany no tsy anitsahan'ny mpisoron'i Dagona, na izay miditra ao an-tranony, ny tokonam-baravaran'i Dagona ao Asdoda mandraka androany).

6. Ary navesatra tamin'ny Asdodita ny tànan'i Jehovah, fa nandringana azy Izy; ary nasiany vay ny tao Asdoda sy ny tamin'ny fari-taniny rehetra.

7. Ary rehefa hitan'ny mponina tao Asdoda fa nisy izany, dia hoy izy: Aza avela hitoetra eto amintsika ny fiaran'ny Andriamanitry ny Isiraely; fa mavesatra amintsika sy amin'i Dagona andriamanitsika ny tànany.

Vakio ny toko manontolo 1 Samoela 5