Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

1 Samoela 30:22-31 Malagasy Bible (MG1865)

22. Dia niteny ny olona sompatra sy tena ratsy fanahy rehetra avy nanaraka an'i Davida ka nanao hoe: Satria tsy mba niaraka tamintsika ireo, dia tsy hanomezantsika azy ny babo izay azontsika, afa-tsy ny vadiny aman-janany isany avy; fa ireo no aoka ho entiny, dia handeha izy.

23. Fa hoy Davida: Aza manao izany amin'izay nomen'i Jehovah antsika, ry rahalahy; fa niaro antsika Izy, ary natolony teo an-tanantsika ny jirika izay tonga namely antsika.

24. Koa iza no hanaiky anareo amin'izany? Fa tahaka ny anjaran'izay nidina hiady ihany no ho anjaran'izay nitoetra tamin'ny entana: hiara-misalahy izy.

25. Dia izany no fanao hatramin'izany andro izany, ka dia natao didy sy lalàna tamin'ny Isiraely izany ambaraka androany.

26. Ary raha tonga tao Ziklaga Davida, dia mba nanaterany ho an'ny loholon'ny Joda sakaizany ny babo ka nataony hoe: Inty izay saotra ho anareo avy amin'ny babo azo tamin'ny fahavalon'i Jehovah,

27. dia ho an'izay ao Betela sy izay any Ramata amin'ny tany atsimo sy ho an'izay ao Jatira

28. sy ho an'izay ao Aroera sy ho an'izay ao Sifmota sy ho an'izay ao Estemoa

29. sy ho an'izay ao Rakala sy ho an'izay any an-tanànan'ny Jeramelita sy ho an'izay any an-tanànan'ny Kenita

30. sy ho an'izay ao Horma sy ho an'izay ao Korasana sy ho an'izay ao Ataka

31. sy ho an'izay ao Hebrona ary ho an'izay any amin'ny tany rehetra nandehandehanan'i Davida sy ny olony.

Vakio ny toko manontolo 1 Samoela 30