Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

1 Samoela 27:8-12 Malagasy Bible (MG1865)

8. Ary Davida sy ny olony niakatra ka nanafika ny Gesorita sy ny Gizrita ary ny Amalekita; fa ireo nonina tamin'ny tany hatrizay ela izay, dia hatrany akaikin'i Sora, hatramin'ny tany Egypta.

9. Ary Davida namely ny tany, ka tsy nisy novelominy na lehilahy na vehivavy, sady namabo ondry aman'osy sy omby sy boriky sy rameva ary fitafiana izy, dia niverina nankany amin'i Akisy.

10. Ary hoy Akisy: Moa tsy nanafika va ianareo androany? Dia hoy Davida: Nanafika ny tany atsimo izay an'i Joda sy izay an'ny Jeramelita ary izay an'ny Kenita izahay.

11. Ary tsy nisy novelomin'i Davida ho entiny any Gata, na lehilahy na vehivavy; fa hoy izy: Andrao izahay lazainy hoe: Toy izany no nataon'i Davida, ary toy izany no fanaony tamin'ny andro rehetra nitoerany tany amin'ny tanin'ny Filistina.

12. Ary Akisy nino an'i Davida ka nanao hoe: Efa nampangidy hoditra ny tenany any amin'ny Isiraely olony izy, ka dia ho mpanompoko mandrakizay.

Vakio ny toko manontolo 1 Samoela 27