Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

1 Samoela 21:6-10 Malagasy Bible (MG1865)

6. Ary Davida namaly ny mpisorona ka nanao taminy hoe: Eny, fa hatramin'ny hateloana efa tsy niara-nitoetra tamim-behivavy rahateo izahay; ary tamin'izaho niainga dia masina ny fanaky ny zatovo; ary na dia tsy masina aza ny lalana, dia hohamasinina anio izy noho ny fanaka.

7. Ary ny mpisorona nanome azy mofo masina; fa tsy nisy mofo teo, afa-tsy ny mofo aseho, izay nalainy teo anatrehan'i Jehovah, mba hasiana mofo mafana tamin'ny andro nanesorana azy.

8. (Nefa nisy anankiray tamin'ny mpanompon'i Saoly teo tamin'izany andro izany, voahazona teo anatrehan'i Jehovah, Doega Edomita no anarany; lehiben'ny mpiandrin'i Saoly izy.)

9. Ary hoy Davida tamin'i Ahimeleka: Tsy misy lefona na sabatra va eto aminao? fa izaho tsy nitondra ny sabatro na ny fiadiako etỳ amiko, satria nahamaika ny raharahan'ny mpanjaka.

10. Fa hoy ny mpisorona: Ny sabatr'i Goliata Filistina, ilay novonoinao tao amin'ny lohasaha Elaha, indro, fa mifono lamba ao ivohon'ny efoda izy; ka raha iny no ho entinao, dia ento; fa tsy misy afa-tsy iny eto. Ary hoy Davida: Tsy misy tahaka iny, fa omeo ahy.

Vakio ny toko manontolo 1 Samoela 21