Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

1 Samoela 21:10-15 Malagasy Bible (MG1865)

10. Fa hoy ny mpisorona: Ny sabatr'i Goliata Filistina, ilay novonoinao tao amin'ny lohasaha Elaha, indro, fa mifono lamba ao ivohon'ny efoda izy; ka raha iny no ho entinao, dia ento; fa tsy misy afa-tsy iny eto. Ary hoy Davida: Tsy misy tahaka iny, fa omeo ahy.

11. Ary Davida niainga nandositra tamin'izany andro izany mba tsy ho azon'i Saoly, dia nankany amin'i Akisy, mpanjakan'i Gata.

12. Ary hoy ny mpanompon'i Akisy taminy: Tsy ity moa no Davida, mpanjakan'ny tany? Tsy izy va no nandihizany sy nifampihirany hoe: Saoly nahafaty arivoarivo, Fa Davida nahafaty alinalina?

13. Ary dia nalatsak'i Davida tao am-pony izany teny izany, ka natahotra an'i Akisy, mpanjakan'i Gata, indrindra izy.

14. Dia nody adala teo anatrehany izy ka nanao tahaka ny olona very saina teo aminy, fa nanoratsoratra teo amin'ny lela-vavahady izy, sady navelany hitsororoka tamin'ny somony ny iviny.

15. Ary hoy Akisy tamin'ny mpanompony: He! hitanareo fa very saina io lehilahy io, ka nahoana no nentinareo etỳ amiko izy? Izaho moa mitady olona very saina, no nitondranareo ity olona very saina ity mba hanondrana eto anatrehako? Moa hiditra ato an-tranoko va ilehio?

Vakio ny toko manontolo 1 Samoela 21