Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

1 Samoela 20:2-9 Malagasy Bible (MG1865)

2. Ary hoy izy taminy: Sanatria izany! Tsy ho faty ianao; indro, tsy misy tsy ambaran'ikaky ahy izay ataony na be na kely, ary hataon'ikaky ahoana no fanafina izany zavatra izany amiko? Tsy misy izany.

3. Ary Davida mbola nianiana indray nanao hoe: Fantatry ny rainao marimarina fa efa mahita fitia eo imasonao aho, ka hoy izy: Aoka tsy ho fantatr'i Jonatana izany, fandrao malahelo izy; fa raha velona koa Jehovah, ary raha velona koa ny fanahinao, toa iray dia monja no anelanelako sy ny fahafatesana.

4. Dia hoy Jonatana tamin'i Davida: Na inona na inona no angatahinao, dia hatàoko aminao izany.

5. Ary hoy Davida tamin'i Jonatana: Indro, ho tsinam-bolana rahampitso, ary izaho tokony hiara-mipetraka hihinana amin'ny mpanjaka; nefa avelao aho handeha hiery any an-tsaha ambara-pihavin'ny afaka ampitso harivariva.

6. Koa raha hitan'ny rainao fa tsy eo aho, dia ataovy hoe: Niera fatratra tamiko Davida mba hikaretsaka kely hankany Betlehema tanànany; fa misy fanatitra fanao amin'izy mianakavy rehetra isan-taona any.

7. Ary raha lazainy hoe: Tsara izany, dia fiadanana no ho an'ny mpanomponao; fa raha tezitra mafy kosa izy, dia aoka ho fantatrao tsara fa misy ratsy ifofoany ahy.

8. Koa mamindrà fo amin'ny mpanomponao; fa nampanaovinao ny faneken'i Jehovah aminao ny mpanomponao; nefa raha manankeloka aho, dia aoka ianao ihany no hahafaty ahy, fa nahoana no ho entinao any amin'ny rainao aho?

9. Fa hoy Jonatana: Sanatria raha hahazo anao izany! Fa raha fantatro tokoa fa misy ratsy ifofoan'ikaky anao, dia hambarako aminao mihitsy izany.

Vakio ny toko manontolo 1 Samoela 20