Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

1 Samoela 20:1-5 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary Davida nandositra niala tao Naiota any Rama, dia tonga ka nilaza teo anatrehan'i Jonatana hoe: Inona no nataoko? Inona no heloko? Ary inona no fahotako teo anatrehan-drainao, no dia mitady ny aiko izy?

2. Ary hoy izy taminy: Sanatria izany! Tsy ho faty ianao; indro, tsy misy tsy ambaran'ikaky ahy izay ataony na be na kely, ary hataon'ikaky ahoana no fanafina izany zavatra izany amiko? Tsy misy izany.

3. Ary Davida mbola nianiana indray nanao hoe: Fantatry ny rainao marimarina fa efa mahita fitia eo imasonao aho, ka hoy izy: Aoka tsy ho fantatr'i Jonatana izany, fandrao malahelo izy; fa raha velona koa Jehovah, ary raha velona koa ny fanahinao, toa iray dia monja no anelanelako sy ny fahafatesana.

4. Dia hoy Jonatana tamin'i Davida: Na inona na inona no angatahinao, dia hatàoko aminao izany.

5. Ary hoy Davida tamin'i Jonatana: Indro, ho tsinam-bolana rahampitso, ary izaho tokony hiara-mipetraka hihinana amin'ny mpanjaka; nefa avelao aho handeha hiery any an-tsaha ambara-pihavin'ny afaka ampitso harivariva.

Vakio ny toko manontolo 1 Samoela 20