Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

1 Samoela 2:1-9 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary Hana nivavaka ka nanao hoe: Ny foko ravoravo amin'i Jehovah, Ny tandroko voasandratra amin'i Jehovah; ny vavako misokatra hamaly ny fahavaloko; fa mifaly amin'ny famonjenao aho.

2. Tsy misy masina tahaka an'i Jehovah, fa tsy misy afa-tsy Hianao; ary tsy misy vatolampy tahaka an'Andriamanitsika .

3. Aza dia mahery miteny avonavona; ary aoka tsy haloaky ny vavanareo ny fireharehana. Fa Jehovah no Andriamanitry ny fahalalana, ary Izy no mandanja ny asa.

4. Tapaka ny tsipìkan'ny olo-mahery, ary izay mila ho reraka dia sikinana hery.

5. Mikarama mofo ny voky, ary mianina kosa ny noana; ny momba miteraka fito, ary mihamalemy kosa ny maro anaka.

6. Jehovah no mahafaty sy mahavelona; izy no mampidina ho any amin'ny fiainan-tsi-hita ary mampitsangana.

7. Jehovah no mampalahelo sy mampanan-karena; izy no mampietry sy mampisandratra.

8. Izy no manangana ny malahelo ho afaka amin'ny vovoka, ary manandratra ny mahantra hiala eo amin'ny zezika, mba hampiara-mitoetra azy eo amin'ny mpanapaka ka hampandova azy ny sezam-boninahitra; fa an'i Jehovah ny andrin'ny tany, ary izany no ametrahany izao tontolo izao.

9. Ny tongotry ny olo-masiny dia tandremany, fa ny ratsy fanahy kosa hampangininy any amin'ny maizina; fa tsy amin'ny hery no handresen'ny olona.

Vakio ny toko manontolo 1 Samoela 2