Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

1 Samoela 18:16-30 Malagasy Bible (MG1865)

16. Fa ny Isiraely sy ny Joda rehetra kosa tia an'i Davida, satria nitondra azy nivoaka sy niditra izy.

17. Ary hoy Saoly tamin'i Davida: Indro homeko ho vadinao Meraba vavimatoako, koa mahereza ho ahy anefa ianao, ary miadia ny adin'i Jehovah. (Fa hoy Saoly: Aoka tsy ny tanako no hamely azy, fa aoka ny tanan'ny Filistina no hamely azy.)

18. Fa hoy Davida tamin'i Saoly: Zinona moa aho, ary manao ahoana no toetry ny mpianakavin'ny raiko ao amin'ny Isiraely, no ho vinanton'ny mpanjaka aho?

19. Kanjo nony tamin'ny andro tokony ho namoahana an'i Meraba, zanakavavin'i Saoly, ho vadin'i Davida, dia nomena ho vadin'i Adriela Meholatita izy.

20. Fa Mikala, zanakavavin'i Saoly kosa tia an'i Davida; ary nisy nanambara izany tamin'i Saoly, ka sitrak'i Saoly izany.

21. (Fa hoy Saoly: Homeko azy izy, mba ho fandrika aminy ka hamelezan'ny tanan'ny Filistina azy.) Dia hoy Saoly tamin'i Davida: Fanindroan'ny maha-vinantoko anao izao.

22. Ary Saoly nandidy ny mpanompony hoe: Miresaha mangingina amin'i Davida, ka ataovy hoe: Indro, tian'ny mpanjaka ianao, ary ny mpanompony rehetra tia anao; ka dia maneke ihany ho vinanton'ny mpanjaka ianao.

23. Ary ny mpanompon'i Saoly nilaza izany teny izany tamin'i Davida. Fa hoy Davida: Moa ataonareo ho zavatra kely izany ho vinanton'ny mpanjaka? Tsy hitanareo va fa izaho dia olona malahelo sady tsy manan-daza?

24. Ary ny mpanompon'i Saoly nilaza taminy hoe: Izany no navalin'i Davida.

25. Dia hoy Saoly: Izao no holazainareo amin'i Davida: Ny mpanjaka tsy mila harena be ho vodiondry, fa ny mariky ny fahafatesan'ny Filistina zato lahy ihany, mba ho famaliana ny fahavalony. Kanjo hevitr'i Saoly hahafaty an'i Davida amin'ny tanan'ny Filistina izany.

26. Ary rehefa nambaran'ny mpanompon'i Saoly tamin'i Davida izany teny izany, dia sitrak'i Davida ny ho vinanton'ny mpanjaka. Ary raha tsy mbola tapitra ny fetr'andro,

27. dia niainga Davida, ary nandeha izy sy ny olony ka nahafaty Filistina roan-jato, lahy ary Davida nitondra ny mariky ny fahafatesany ka nanisa azy teo anatrehan'ny mpanjaka mba hahavinanton'ny mpanjaka azy. Dia nomen'i Saoly ho vadin'i Davida Mikala zananivavy.

28. Ary Saoly nahita sy nahalala fa Jehovah nomba an'i Davida; ary Mikala zananivavy tia azy.

29. Ary dia vao mainka natahotra an'i Davida Saoly; ka dia tonga fahavalon'i Davida mandrakariva izy.

30. Ary ireo andrianan'ny Filistina dia nanafika; ary isaky ny nanafika izy, dia Davida no hita fa hendry noho ny mpanompon'i Saoly rehetra, ka dia nisandratra ny anarany.

Vakio ny toko manontolo 1 Samoela 18