Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

1 Samoela 16:17-23 Malagasy Bible (MG1865)

17. Ary hoy Saoly tamin'ny mpanompony: Mizahà ary olona izay mahay mitendry tsara, ka ento etỳ amiko.

18. Dia namaly ny anankiray amin'ny zatovony ka nanao hoe: Indro, ny anankiray amin'ny zanak'i Jese Betlehemita no hitako mahay mitendry, sady lehilahy mahery sy mpanafika izy ary mahay mandaha-teny sy lehilahy tsara tarehy, ary Jehovah momba azy.

19. Ary Saoly dia naniraka tany amin'i Jese ka nanao hoe: Iraho hankatỳ amiko Davida zanakao izay miandry ondry.

20. Ary Jese naka mofo tokony ho zakan'ny boriky iray sy divay iray siny hoditra sy zanak'osy, ka nampitondrainy an'i Davida zanany ho an'i Saoly ireo.

21. Ary Davida tonga tany amin'i Saoly ka nitoetra teo anatrehany; ary tiany indrindra izy, ka dia tonga mpitondra ny fiadiany.

22. Ary Saoly naniraka tany amin'i Jese nanao hoe: Masìna ianao, avelao Davida hitoetra eo anatrehako, fa efa mahita fitia amiko izy.

23. Ary raha nisy fanahy avy tany amin'Andriamanitra tonga tao amin'i Saoly, dia noraisin'i Davida ny lokanga ka notendren'ny tànany; ka dia velombelona sady nanaritra Saoly, ary ny fanahy ratsy niala taminy.

Vakio ny toko manontolo 1 Samoela 16