Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

1 Samoela 16:14-23 Malagasy Bible (MG1865)

14. Fa ny Fanahin'i Jehovah efa niala tamin'i Saoly, ary nisy fanahy ratsy avy tany amin'i Jehovah nampahatahotra azy.

15. Ary hoy ny mpanompon'i Saoly taminy: Indro, ankehitriny misy fanahy ratsy avy any amin'Andriamanitra mampahatahotra anao.

16. Aoka ny tomponay ankehitriny handidy anay mpanomponao izay eto anatrehanao, dia hitady olona mahay mitendry lokanga izahay; ary rehefa misy fanahy ratsy avy any amin'Andriamanitra tonga aminao, dia hitendry amin'ny tànany izy, ka dia ho tsara ihany ianao.

17. Ary hoy Saoly tamin'ny mpanompony: Mizahà ary olona izay mahay mitendry tsara, ka ento etį»³ amiko.

18. Dia namaly ny anankiray amin'ny zatovony ka nanao hoe: Indro, ny anankiray amin'ny zanak'i Jese Betlehemita no hitako mahay mitendry, sady lehilahy mahery sy mpanafika izy ary mahay mandaha-teny sy lehilahy tsara tarehy, ary Jehovah momba azy.

19. Ary Saoly dia naniraka tany amin'i Jese ka nanao hoe: Iraho hankatį»³ amiko Davida zanakao izay miandry ondry.

20. Ary Jese naka mofo tokony ho zakan'ny boriky iray sy divay iray siny hoditra sy zanak'osy, ka nampitondrainy an'i Davida zanany ho an'i Saoly ireo.

21. Ary Davida tonga tany amin'i Saoly ka nitoetra teo anatrehany; ary tiany indrindra izy, ka dia tonga mpitondra ny fiadiany.

22. Ary Saoly naniraka tany amin'i Jese nanao hoe: Masìna ianao, avelao Davida hitoetra eo anatrehako, fa efa mahita fitia amiko izy.

23. Ary raha nisy fanahy avy tany amin'Andriamanitra tonga tao amin'i Saoly, dia noraisin'i Davida ny lokanga ka notendren'ny tànany; ka dia velombelona sady nanaritra Saoly, ary ny fanahy ratsy niala taminy.

Vakio ny toko manontolo 1 Samoela 16