Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

1 Samoela 14:27-34 Malagasy Bible (MG1865)

27. Fa Jonatana kosa tsy nandre ny nampianianan-drainy ny olona; koa dia narosony ny loha-tehiny teny an-tànany ka natsobony teo amin'ny tantely, ary nataony teo am-bavany ny tànany, ka dia nazava ny masony.

28. Ary nisy olona anankiray niteny taminy ka nanao hoe: Rainao anie ka efa nampianiana mafy ny olona hoe: Ho voaozona anie izay olona homan-kanina anio; ka efa reraka ny olona.

29. Dia hoy Jonatana: Ikaky efa nampiditra loza tamin'ny tany; koa jereo, masìna ianareo, he! izato fahazavan'ny masoko tamin'ilay nanandramako kely tamin'ity tantely ity.

30. Ka mainka fa raha navela hihinanan'ny olona ny babo azony tamin'ny fahavalony, tsy ho nahafatesana be lavitra va ny Filistina?

31. Ary izy ireo namely ny Filistina tamin'izany andro izany hatrany Mikmasy ka hatrany Aialona, ary reraka indrindra ny olona.

32. Dia nanaovan'ny olona an-kazakazaka ny babo, ka naka ondry aman'osy sy omby ary zanak'omby izy, dia namono azy teo amin'ny tany, ka dia nohanin'ny olona mbamin'ny ràny.

33. Ary nisy nanambara tamin'i Saoly hoe: Indro, ny olona manota amin'i Jehovah, fa mihinana zavatra mbamin'ny ràny izy. Ary hoy Saoly: Efa diso ianareo, manakodiava vato lehibe etỳ amiko anio.

34. Ary hoy koa izy: Mieleza eny amin'ny olona ianareo, ka lazao aminy hoe: Samia mitondra ny ombiny etỳ amiko, ary samia mitondra ny ondriny, ka vonoy eto izy, dia hano, ary aza manota amin'i Jehovah amin'ny fihinanana zavatra mbamin'ny ràny. Ary ny vahoaka rehetra samy nitondra ny ombiny niaraka taminy tamin'izany alina izany ka namono azy teo.

Vakio ny toko manontolo 1 Samoela 14