Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

1 Samoela 12:1-3 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary hoy Samoela tamin'ny Isiraely rehetra: Indro, efa nihaino ny teninareo aho tamin'izay rehetra nolazainareo tamiko ka efa nanendry mpanjaka hanjaka aminareo.

2. Ary ankehitriny, indro, ny mpanjaka mandeha eo anatrehanareo; fa izaho efa antitra sy fotsy volo; koa, indreo, eo aminareo ny zanako, ary izaho efa nandeha teo anatrehanareo hatry ny fony vao zaza ka mandraka androany.

3. Koa inty aho; tondroy maso eto anatrehan'i Jehovah sy ny voahosony aho: ombin'iza moa no nalaiko? na borikin'iza no nalaiko? na an'iza no nanaovako an-keriny? na iza no nampahoriko? na teo an-tànan'iza no nandraisako kolikoly hahatampina ny masoko? fa honerako aminareo izany.

Vakio ny toko manontolo 1 Samoela 12