Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

1 Samoela 1:13-22 Malagasy Bible (MG1865)

13. Fa niteny anakampo Hana, ka ny molony ihany no nihetsiketsika, fa ny feony tsy re akory; ka dia nataon'i Ely fa mamo izy.

14. Dia hoy Ely taminy: Mandrapahoviana no ho mamo ianao? Esory aminao ny divainao.

15. Dia namaly Hana ka nanao hoe: Tsia, tompoko; vehivavy malahelo fanahy aho, fa tsy nisotro divay na toaka tsy akory, fa mamoaka ny ato am-poko eto anatrehan'i Jehovah aho.

16. Aza mba atao ho vehivavy tena ratsy fanahy ny ankizivavinao; fa ny haben'ny fahoriako sy ny alaheloko no nitenenako mandraka ankehitriny.

17. Dia namaly Ely ka nanao hoe: Mandehana soa aman-tsara; ary homen'Andriamanitry ny Isiraely anao anie izay nangatahinao taminy.

18. Ary hoy izy: Aoka hahita fitia eo imasonao ny ankizivavinao. Dia lasa nandeha ravehivavy, ary nihinana izy ka tsy nalahelo tarehy intsony.

19. Ary nifoha maraina koa izy ireo ka nivavaka teo anatrehan'i Jehovah, dia lasa nody ka tonga tao an-tranony tany Rama; ary Elkana nahalala an'i Hana vadiny, ary Jehovah nahatsiaro azy.

20. Ary tamin'ny fahatanterahan'ny andro dia nanan'anaka Hana ka nitera-dahy, ary ny anarany nataony hoe Samoela, fa hoy izy: Tamin'i Jehovah no nangatahako azy.

21. Ary ralehilahy Elkana sy ny ankohonany rehetra niakatra hamono zavatra mba hanaterany ny fanatitra fanao isan-taona ho an'i Jehovah sy ny fanalam-boadiny.

22. Fa Hana kosa tsy mba niakatra; fa hoy izy tamin'ny vadiny: Aoka aloha mandra-panoty ny zaza, fa amin'izay aho vao hitondra azy hiseho eo anatrehan'i Jehovah, ka hitoetra ao mandrakizay izy.

Vakio ny toko manontolo 1 Samoela 1