Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

1 Mpanjaka 4:1-10 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary nanjaka tamin'ny Isiraely rehetra Solomona mpanjaka.

2. Ary izao no lehibe tao aminy: Azaria, zanak'i Zadoka, no mpisorona;

3. Elihorefa sy Ahia, zanak'i Sisa, no mpanoratra; Josafata. zanak'i Ahiloda, no mpitadidy ny raharaha-mpanjakana;

4. ary Benaia, zanak'i Joiada, no komandin'ny miaramila; ary Zadoka sy Abiatara no mpisorona;

5. ary Azaria, zanak'i Natana, no lehiben'ny olona voatendry; ary Zaboda, zanak'i Natana, no mpanolotsaina, sakaizan'ny mpanjaka,

6. ary Ahisara no lehiben'ny tao an-dapa; ary Adonirama, zanak'i Abda, no komandin'ny mpanao fanompoana.

7. Ary Solomona nanendry roa ambin'ny folo lahy ho amin'ny Isiraely rehetra hiadidy ny zavatra rehetra nilain'ny mpanjaka sy ny ankohonany; samy niadidy ny iray volana avy amin'ny herintaona izy.

8. Ary izao no anarany: Beni-hora tany amin'ny tany havoan'i Efraima;

9. Beni-dakera tao Makaza sy tao Salbima sy Beti-semesy ary Elon-beti-hanana;

10. Beni-haseda tao Arobota; Soko sy ny tany Hefera rehetra no azy;

Vakio ny toko manontolo 1 Mpanjaka 4