Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

1 Mpanjaka 21:21-29 Malagasy Bible (MG1865)

21. Indro, hahatonga loza aminao Aho ka handringana ny taranakao, ary ho fongotra ny lehilahy rehetra amin'ny taranak'i Ahaba, na ny voahazona na ny afaka amin'ny Isiraely.

22. Ary ny taranakao hataoko tahaka ny taranak'i Jeroboama, zanak'i Nebata, sy tahaka ny taranak'i Basa, zanak'i Ahia, noho ny nampirehetanao ny fahatezerako sy ny nampanotanao ny Isiraely.

23. Ary ny amin'i Jezebela koa dia nolazain'i Jehovah hoe: Ny alika hihinana an'i Jezebela eny ivelan'ny màndan'i Jezirela.

24. Izay tamingan'i Ahaba maty ao an-tanàna dia hohanin'ny alika; ary izay tamingany maty any an-tsaha kosa dia hohanin'ny voro-manidina.

25. Fa tsy nisy tahaka an'i Ahaba,izay nivarotena hanao izay ratsy eo imason'i Jehovah, satria nampirisihin'i Jezebela vadiny izy.

26. Ary izy nanao vetaveta loatra tamin'ny 1 nanarahany ny sampy, dia tahaka izay rehetra nataon'ny Amorita. izay noroahin'i Jehovah teo anoloan'ny Zanak'Isiraely.

27. Ary rehefa ren'i Ahaba izany teny izany, dia nandriatra ny fitafiany izy ka nitafy lamba fisaonana nataony manolo-koditra sady nifady hanina sy nandry tamin-damba fisaonana ary nijoretra teny am-pandehanana.

28. Ary ny tenin'i Jehovah tonga tamin'i Elia Tisbita ka nanao hoe:

29. Hitanao va ny nanetren'i Ahaba tena teo anatrehako? Satria nanetry tena teo anatrehako izy. dia tsy hahatonga loza aminy Aho amin'ny androny; fa any amin'ny andron'ny zanany vao hahatonga loza amin'ny taranany Aho.

Vakio ny toko manontolo 1 Mpanjaka 21