Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

1 Mpanjaka 14:23-31 Malagasy Bible (MG1865)

23. Fa izy koa nanao fitoerana avo ho azy sy tsangam-baton-tsampy ary Aseraha teny an-tampon'ny tendrombohitra avo rehetra sy teny ambanin'ny hazo maitso rehetra.

24. Ary nisy olona nanolo-tena nijangajanga ho fanompoan-tsampy teo amin'ny tany; ary nanaraka ny fahavetavetana rehetra fanaon'ny firenena izay noroahin'i Jehovah teo anoloan'ny Zanak'Isiraely izy.

25. Ary tamin'ny taona fahadimy nanjakan-dRehoboama mpanjaka dia niakatra Sisaka, mpanjakan'i Egypta, hamely an'i Jerosalema;

26. dia nobaboiny ny rakitry ny tranon'i Jehovah sy ny rakitry ny tranon'ny mpanjaka ka lasany avokoa; ary nobaboiny koa ny ampinga volamena rehetra nataon'i Solomona

27. Ary Rehoboama mpanjaka nanao ampinga varahina ho solon'ireny ka nanolotra azy teo an-tànan'ny lehiben'ny mpiambina, izay niambina ny varavaran'ny tranon'ny mpanjaka

28. Ary na oviana na oviana no nidiran'ny mpanjaka tao an-tranon'i Jehovah, dia nentin'ny mpiambina ireo ka naveriny tao an-trano fiambenana indray.

29. Ary ny tantaran-dRehoboama sisa mbamin'izay rehetra nataony, tsy voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Joda va izany?

30. Ary niady mandrakariva Rehoboama sy Jeroboama.

31. Ary Rehoboama lasa nodi-mandry any amin'ny razany, dia nalevina tao amin'ny razany tao an-Tanànan'i Davida. Ary ny anaran-dreniny dia Nama Amonita. Ary Abia zanany no nanjaka nandimby azy.

Vakio ny toko manontolo 1 Mpanjaka 14