27. Jaona namaly ka nanao hoe: Tsy misy olona mahay mandray na inona na inona, raha tsy nomena azy avy any an-danitra izany.
28. Hianareo no vavolombeloko fa hoy izaho: Tsy izaho no Kristy, fa nirahiny hialoha Azy aho.
29. Izay manana ny ampakarina no mpampakatra; fa ny sakaizan'ny mpampakatra, izay mitsangana sy mihaino azy, dia mifaly indrindra noho ny feon'ny mpampakatra; ary efa tanteraka izany fifaliako izany.
30. Izy tsy maintsy mitombo, fa izaho kosa tsy maintsy mihena.
31. Izay avy any ambony dia ambonin'izy rehetra; ary izay avy amin'ny tany dia avy amin'ny tany, ka ny momba ny etỳ an-tany ihany no lazainy; Izay avy any an-danitra dia ambonin'izy rehetra;
32. koa izay hitany sy reny no ambarany; ary tsy misy mandray ny fanambarany.
33. Izay mandray ny fanambarany dia nanisy tombo-kase fa marina Andriamanitra.
34. Fa Izay nirahin'Andriamanitra dia milaza ny teniny; fa tsy misy fetra ny fanomezan'Andriamanitra ny Fanahy.
35. Ny Ray tia ny Zanaka ka efa nanolotra ny zavatra rehetra ho eo an-tànany.