Izaho Jaona, rahalahinareo sy namanareo amin'ny fahoriana ary amin'ny fanjakana sy ny faharetana ao amin'i Jesosy, dia tao amin'ny nosy atao hoe Patmo noho ny tenin'Andriamanitra sy ny filazana an'i Jesosy.