16. Jehovah efa nanao izay mampiseho ny tenany ho Mpitsara; namandrika ny ratsy fanahy tamin'ny asan'ny tànany Izy.
17. Hiverina ho any amin'ny fiainan-tsi-hita ny ratsy fanahy, dia ny jentilisa rehetra izay manadino an'Andriamanitra.
18. Fa tsy ho mandrakizay no hanadinoana ny malahelo; ary tsy ho very mandrakizay ny fanantenan'ny mahantra.
19. Mitsangàna, Jehovah ô, aoka tsy hahery ny olona; aoka hotsaraina eo anatrehanao ny jentilisa.
20. Asio fampahatahorana izy, Jehovah ô; aoka ho fantatry ny jentilisa fa olona ihany izy.