13. Foana mihitsy ny nanadiovako ny foko sy ny nanasàko ny tanako tamin'ny fahamarinana.
14. Azom-pahoriana mandritra ny andro aho, ary faizana isa-maraina.
15. Raha tahìny aho nanao hoe: Hiteny izany aho, dia ho namitaka ireo zanakao.
16. Dia nieritreritra ta-hahalala izany zavatra izany aho, kanjo sarotra teo imasoko izany.
17. Mandra-piditro tao amin'ny fitoera-masin'Andriamanitra ka nihevitra izay ho farany.
18. Eo amin'izay mahasolafaka tokoa no ametrahanao azy, ary aripakao ho ringana izy.
19. Hià! rava indray mipi-maso izy! levona izy, matin-java-mahatahotra izy!
20. Tahaka ny anaovan'ny olona ny nofiny ho tsinontsinona, dia tahaka izany, Tompo ô, no anaovanao ny endrik'ireny ho tsinontsinona, raha mifoha Hianao.