3. Fa harambatoko sy batery fiarovana ho ahy Hianao; ary noho ny anaranao no hitondrànao sy hitarihanao ahy.
4. Hanafaka ahy amin'ny fandrika harato izay nafeniny hamandrihany ahy Hianao; fa Hianao no fiarovana mafy ho ahy.
5. Eo an-tananao no atolotro ny fanahiko; fa efa nanavotra ahy Hianao, Jehovah ô, Andriamanitry ny fahamarinana.
6. Halako izay mivavaka amin'ny sampy; fa Jehovah kosa no itokiako.
7. Hifaly sy ho ravoravo amin'ny famindram-ponao aho; fa nahita ny fahantrako Hianao, ka nahafantatra ny fahorian'ny fanahiko,
8. ary tsy mba nangeja ahy teo an-tànan'ny fahavalo; fa efa nampitoetra ny tongotro eo amin'ny malalaka Hianao.