18. Izay mitahiry lolompo dia manana molotra mandainga, Ary izay mampiely endrikendrika dia adala.
19. Ny teny maro tsy ilaozan'izay ota; Fa izay mahatana ny molony no hendry.
20. Volafotsy voafantina ny lelan'ny marina; Fa ny fon'ny ratsy fanahy tsy misy vidiny.
21. Ny molotry ny marina mamelona ny maro; Fa maty ny adala noho ny tsi-fananany fahalalana.
22. Ny fitahian'i Jehovah no mampanan-karena, Ary tsy azon'ny fisasarana ampiana izany.
23. Toa laolaon'ny adala ny fanaovan-dratsy Fa raha ny manan-tsaina, dia fahendrena kosa.
24. Ny tahotry ny ratsy fanahy hihatra aminy; Fa ny irin'ny marina no homena azy.