21. ny taranak'i Atera, avy tamin'i Hezekia, dia valo amby sivi-folo;
22. ny taranak'i Hasoma dia valo amby roa-polo amby telon-jato;
23. ny taranak'i Bezay dia efatra amby roa-polo amby telon-jato;
24. ny taranak'i Harifa dia roa ambin'ny folo amby zato;
25. ny taranak'i Gibeona dia dimy amby sivi-folo.
26. Ny mponina tany Betlehema sy Netofa dia valo amby valo-polo amby zato;
27. ny mponina tany Anatota dia valo amby roa-polo amby zato;
28. ny mponina tany Bet-azmaveta dia roa amby efa-polo;
29. ny mponina tany Kiriata-jearima sy Kefira ary Berota dia telo amby efa-polo amby fiton-jato;
30. ny mponina tany Rama sy Geva dia iraika amby roa-polo amby enin-jato;
31. ny mponina tany Mikmasy dia roa amby roa-polo amby zato;
32. ny mponina tany Betela sy Ay dia telo amby roa-polo amby zato;
33. ny mponina tany amin'ilay Nebo anankiray dia roa amby dimam-polo;
34. ny zanak'ilay Elama anankiray dia efatra amby dimam-polo amby roan-jato sy arivo;
35. ny zanak'i Harima dia roa-polo amby telon-jato;