15. Ka dia aleon'ny fanahiko ny hokendaina, eny, aleoko ny fahafatesana aza toy izay izato fitofezako izato;
16. Maharikoriko ahy izao, tsy tiako ny ho velona ela; Ilaozy miala aho, fa fofona foana ny androko.
17. Inona moa ny zanak'olombelona, no ekenao ho lehibe, ka ampandinihinao azy ny fonao,
18. Sady fantarinao isa-maraina izy; sy izahanao toetra isaky ny indray mipi-maso?
19. Mandra-pahoviana re vao hihodina tsy hijery ahy Hianao, ka mba hiala amiko mandra-piteliko rora?
20. Na dia ho nanota aza aho, nampaninona Anao moa izany, ry Mpandinika ny olombelona? Nahoana no dia nataonao fikendry aho, ka efa tonga enta-mavesatra amiko aho?