8. Koa nonina tany an-tendrombohitra Seira Esao. (Edoma izany).
9. Ary izao no taranak'i Esao, rain'ny Edomita any an-tendrombohitra Seira:
10. Ny anaran'ny zanakalahin'i Esao dia izao: Elifaza, zanak'i Ada, vadin'i Esao, sy Regoela, zanak'i Basemata, vadin'i Esao.
11. Ary ny zanakalahin'i Elifaza dia Temana sy Omara sy Zefo sy Gatama ary Kenaza.
12. Ary Timna no vaditsindranon'i Elifaza, zanakalahin'i Esao; ary niteraka an'i Amaleka tamin'i Elifaza izy. Ireo no zanakalahin'i Ada, vadin'i Esao.
13. Ary izao no zanakalahin'i Regoela: Nahata sy Zera sy Sama ary Miza; ireo no zanakalahin'i Basemata, vadin'i Esao.
14. Ary izao no zanakalahin'i Oholibama, zanakavavin'i Ana, zanakavavin'i Zibona, vadin'i Esao: niteraka an'i Jeosy sy Jalama ary Kora tamin'i Esao izy.
15. Izao no loham-pirenena tamin'ny taranak'i Esao: ny zanakalahin'i Elifaza, lahimatoan'i Esao, dia Temana loham-pireneny sy Omara loham-pireneny sy Zefo loham-pireneny sy Kenaza loham-pireneny