1. Dia nilaza izao teny rehetra izao Andriamanitra ka nanao hoe:
2. Izaho no Jehovah Andriamanitrao, Izay nitondra anao nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta, tamin'ny trano nahandevozana.
3. Aza manana andriamani-kafa, fa Izaho ihany.
4. Aza manao sarin-javatra voasokitra ho anao, na ny mety ho endriky ny zavatra izay eny amin'ny lanitra ambony, na izay etỳ amin'ny tany ambany, na izay any amin'ny rano ambanin'ny tany.