24. Ary samy dimy hakiho avy ny elatry ny kerobima iray, dia folo hakiho hatramin'ny tendron'elany anankiray ka hatramin'ny tendron'elany anankiray.
25. Ary ny kerobima iray koa folo hakiho; fa ny kerobima roa mitovy halehibe sy mitovy tarehy:
26. Folo hakiho ny hahavon'ny kerobima iray, ary tahaka io ihany koa ny kerobima anankiray.
27. Ary ny kerobima nataony tao afovoan'ny trano anatiny; ary ny elany nataony mivelatra, ka ny ilany samy nipaka tamin'ny rindrina avy, ary ny ilany nifanendry teo afovoan'ny trano.
28. Ary nopetahany takela-bolamena ny kerobima.
29. Ary ny rindrina manodidina nosoratany nasiany sarin'ny kerobima sy hazo rofia ary voninkazo mivelatra, na ny efitra anatiny, na ny ati-trano lehibe.
30. Ary nopetahany takela-bolamena ny gorodona, na ny teo amin'ny efi-trano anatiny, na ny teo amin'ny ati-trano lehibe.
31. Ary ny varavarana mankao amin'ny efitra anatiny dia nasiany lela-varavarana hazo oliva kopa-droa, ary ny tolany sy ny momba azy dia ampahadimin'ny sakan-trano.
32. Ny lela-varavarana hazo oliva kopa-droa dia nosoratany nasiany sarin'ny kerobima sy hazo rofia ary voninkazo mivelatra, ary, nopetahany volamena manify ny kerobima: sy ny hazo rofia.
33. Dia toy izany koa ny varavarana mankao amin'ny ati-trano lehibe, dia nasiany tolam-baravarana hazo oliva mahafeno ny ampahefatry ny sahan-trano.
34. Ary ny lela-varavarana hazo kypreso kopa-droa dia kamban-droa samy nisy savily avy.
35. Ary nosoratany nasiany sarin'ny kerobima sy ny hazo rofia ary voninkazo mivelatra ireo, dia nopetahany volamena manify ny sorany.